Barean’i Madagasikara

Maratra i Mathieu Acapandié


  • Talata 19 Aogositra 2025

Naha tretrika ny naheno ny fidiran’ilay vodilaharana malagasy, Mathieu Acapandié, 20 taona,

ho isan’ny afaka miara-milalao amin’ireo namany ao amin’ny divizionina voalohany frantsay ao amin’ny FC Nantes amin’izay, 5 volana lasa izay. Vaovao ratsy ho an’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barean’i Madagasikara kosa ny naheno omaly fa maratra amin’izao fotoana izao ity tovolahy mirefy 1,82 metatra sy milanja 73kg ity. Isan’ny heverina ho andry aoriana ao nefa ny lehilahy. Irariana, noho izany, ny hahitàny fahasalamàna faran’izay haingana satria tsiahivina hatrany fa ny 4 septambra izao indray no miverina mandray lalao amin’ny fifanintsanana ho any amin’ny amboara erantany 2026 isika malagasy saingy tsy maintsy atao atsy Maraoka moa izany satria tsy misy mahafeno ny fepetra apetraky ny Kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra na ny CAF ireo kianjana baolina kitra eto Madagasikara hatreto, raha ny fampahafantarana nataon’izy ireo farany.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT