Sport

Barean’i Madagasikara Lasibatry ny petatoko indray


  • Alarobia 06 Oktobra 2021

Tsy afa-niainga teto Madagasikara ny alin’ny alatsinainy hifoha omaly talata tamin’ny 12ora sy sasany tany ho any, araka ny fandaharam-potoana nampahafantarina ny Barean’I Madagasikara,

 izay hiatrika ny lalao ho an’ny andro fahatelo amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny « Mondial 2022 ». Tavela tao Ivato ireo mpilalao avy eto Madagasikara sy avy atsy amin’ny Nosy La Réunion nahitana an-dry Théodin, Njiva, Tsito, Fabrice, Gladyson, Arnaud,… ka mba tsy hahavery ny fotoana dia niditra toeram-pikotranana teo ambany fanaraha-mason’ny mpanazatra mpanampy Fabiano Flora ireo mpilalao. Omaly takariva tamin’ny 6ora mahery tany ho any no nanainga, raha ny fampitam-baovao nivoaka tao amin’ny Pejin’ny Federasionina. Ankoatra ireo mpilalao, dia maro ireo delegasionina notarihin’ny Minisitry ny fanatanjahantena Mamod’Ali Hawel sy ny avy ao amin’ny Federasionina. Anio moa no voalaza fa handeha ny famondronana raha toa ka rahampitso ny lalao. Izany hoe: zara raha nisy fotoana niomanana toy ny mahazatra ny Barea. Ankoatra io, niparitaka ihany koa ny sarin’ireo Barea milalao any Eoropa sy Maghreb izay matory amin’ny seranam-piaramanidina, toa tratry ny fampijaliana mpiseho aty Afrika. Betsaka hatrany ny tsy fahatomombanana, toy ny efa niseho tamin’ireo lalao roa teo aloha. Isan’ny lesoka hatrany ny tsy fahampian’ny fotoana fanomanana. Aiza ho aiza ilay vava be sy fandokafan-tena nataon’ny Filoha Rajoelina ny 30 septambra nilazany fa nentiny tamin’ny “classe affaire” ny Barea ? Izao sady tara fiaramanidina, matory amin’ny tany amin’ny seranam-piaramanidina,… Irariana mba vao mainka hampiakatra ny hambom-pon’ny mpilalaontsika ireny toe-javatra ireny, fa raha ny zava-misy aloha dia mahakely finoana no ahazoana vokatra. Mirary fandresena hatrany ho ekipam-pirenena anefa isika na eo aza ny petatoko amin’ny endriny maro.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT