Sport

Barean’i Madagasikara Ho fantatra anio ireo mpilalao 25 mirahalahy


  • Alakamisy 22 Oktobra 2020

Nampahafantatra i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea an’i Madagasikara, fa anio no hanolorany ny anaran'izy 25 mirahalahy izay voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy

 

 

 

 amin'ny fampivondronana amin'ny novambra ho avy io, mialoha ny hiatrehana ny lalao mandroso sy miverina amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Afaka 19 andro eo sisa ny lalao goavana hifanandrinan’ny roa tonta, ary efa nivoaka ny fankatoavana vonjimaikan’ny FIFA ny kianjan’i Barikadimy Toamasina amin’ny lalao miverina ny 17 novambra, raha any Abidjan kosa ny lalao mandroso amin’ny 09 novambra izao. Raha hiverenana ny lalao ara-pirahalahiana fiomanan-tena, dia nahatazona ady sahala 0-0 an’I Belgique izay laharana voalohany maneran-tany sy resin’I Japon 1-0 ny Ivorianina. Efa mivonona ary manamafy ny ekipam-pirenena kosa I Nicolas Dupuis, izay mikendry ny hanana ekipa afaka mifanandrina amin’ireo matanjaka aty Afrika. Miandry fatratra ny lalao ny Malagasy, ary tsy miala amin’ny fanohanana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT