Sport

Barean’i Madagasikara Hitombo indray ny mpilalao tsy manana klioba


  • Zoma 08 Janoary 2021

Efa hatramin’ny janoary 2020 no tsy nanana klioba ny irakiraka afovoany, Dimitry Caloin,

 

 

 rehefa avy nilalao tao amin’ny FC Villefranche, Frantsa. Tsy raikitra ihany koa ny fifanarahany tao Sina vokatry ny Cornavirus. Afaka 5 volana sisa dia ho tapitra koa ny fifanarahan’Ibrahim Amada amin’ny Al Khor sport, divizionina voalohany ao Qatar, raha nanomboka ny jolay 2019 teo. Efa tsy mahazo lalao firy ao amin’ity klioban’ny baolina kitra Qatari ity intsony aza ity tompon’ny daka mandrivorivo ao amin’ny ekipam-pirenena Malagasy ity hatramin’ny septambra 2020 teo. Fantatra omaly koa fa efa miheritreritra ny hisaotra an’i Hery Bastien koa ankehitriny ny FC Linfield izay divizionina voalohany ao Irlande avaratra raha efa nilalao tao nandritry ny 2 taona. Efa eo am-pamarotana azy mialohan’ny fiafaran’ity volana janoary ity moa ankehitriny ity klioba ity na dia mbola afaka 6 volana aza no tena fiafaran’ny fifanarahana. Hitombo indray araka izany ny mpilalao tsy manana klioba mandrafitra ny Barean’I Madagasikara raha toa ka mbola tsy ahita klioba vaovao mialohan’ny volana martsa izay hihaonantsika amin’ny Ethiopie sy Niger ireto irakiraka afovoany 3 lahy ireto.

Nangonin’i

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT