Sport

Barean’i Madagasikara Hiala ao Parisy anio


  • Talata 06 Oktobra 2020

Araka ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra dia hiala ao Parisy, Frantsa, amin’ity anio ity ireo mpilalao eo anivon’ny Barean’i Madagasikara.

 

 

 Omaly moa no tonga tsirairay tao Parisy ireto mpilalao eo anivon’ny ekipam-pirenena Malagasy ireto. Hisy kosa ny fiarabe na “bus” iraisana hitondra azy ireo hihazo an’i Luxembourg anio. Rahampitso alarobia no tena hanomboka ny fampivondronana, izany hoe, manana 3 andro hanazaran-tena ireto lehilahin’i Nicolas Dupuis ireto mialohan’ny lalao hanazaran-tena amin’ny klioban’i Swift Esperange ny zoma izao. Ny ampitson’io indray izany no hihazo an’i Maraoka hanomana ny fihaonana amin’i Burkina faso ny alatsinainy 12 oktobra.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT