Sport

Barean’i Madagasikara Hanainga anio ho atsy Afrika Atsimo


  • Alakamisy 24 Mey 2018

Araka ny fantatra dia hanainga anio ho atsy Afrika Atsimo hiatrika ny fifaninanana baolina kitra “Cosafa Cup 2018” ny Barean’i Madagasikara.

Fantatra taorian’ny lalao fitsapana farany nifanaovany tamin’ny ekipa voafantin’ny ligin’Analamanga tamin’ny talata 22 mey teo izay nisaraka ady sahala (0-0) fa tsy hisy mpilalao mpila ravinahitra ho tonga hiaraka amin’ity Barea ity fa ireo mpilalao miisa 20 efa voafantin’ny mpanazatra Andriamanarivo Franklin sy  Razafindrakoto Mamisoa mpanampy azy ihany no hiatrika ny fifaninanana. Tazana tetsy Mahamasina tamin’io talata io nanara-maso ny fanazaran-tena nataon’ity Barea ity ny mpanazatra  nasionaly, René Dupuis, izay nilaza fa mbola hanara-maso ny Barea any Afrika Atsimo mba hahazoana mifantina mpilalao 4 na 5 hanatevina ny Barea mpila ravinahitra amin’ny fihaonana amin’ny Sénégal amin’ny volana septambra ho avy izao.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT