Sport

Barean’i Madagasikara Hampitombo ny herijika ny fiovan-javatra tsara


  • Alatsinainy 22 Martsa 2021

Betsaka ny zavatra niova tamin’ny ora farany momba ireo mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara,

 

 

izay hiatrika ny lalao lehibe hifanandrinana amin’i Ethiopie ny alarobia 24 martsa ho avy izao. Afaka hiatrika ny lalao any Ethiopia ho tanterahina ny 24 martsa ihany i Lalaina Nomenjanahary (Bolida) sy Mathyas Randriamamy, raha toa ka tsy ho afaka noho ny ratra i Jeremy Morel, ny fanambarana nataon'ny ministry ny tanora sy ny fanatanjahantena, niaraka tamin'ny mpanazatra ny Barea. Nisy ny fifampiresahana teo amin’ny federasiona mpiahy tamin'ny federasiona frantsay ny baolina kitra sy ny FIFA. Dimy tamin’ireo mpilalao voaantso no tsy afaka, dia i Thomas Fontaine izay mbola maratra, i Rayan Raveloson sy Marco Ilaimaharitra izay mbola tratry ny coronavirus, ary i Abel Anicet Andrianantenaina tsy navelan'ny kliobany, miampy an’I Jeremy Morel. Maro ireo mpilalao nampisalasala ny mety tsy ho fahafahany, saingy ny 80% eo, dia saika afaka avokoa. Efa niala tao Frantsa omaly kosa ry Melvin, Ibrahim Dabo, Mathyas, Alexandre Ramalingom, Jérôme Mombris, Enzo Bovis, Zotsara, Voavy Paulin, Lapoussain, Bapasy, Mamy Gervais, Dimitri caloin. Efa tonga ihany koa ry Faneva Ima sy Romain Metanire sy ireo delegasionina nandeha aloha. Nanainga omaly hihazo an’i Ethiopie ihany koa i Carolus. Niala omaly alina kosa ireo delegasionina avy eto Magasikara ahitana ireo mpilalao toa an-dry Tsito, Naina, Nina, Lôlôdy, Berajo, Dôdy,… Ny alarobia amin’ny 4ora hariva aty amintsika no hanaovana ny lalao. Betsaka ny fanantenana ho an’ny Barean’I Madagasikara, ary mampitombo ny herijika ny fahafahan’ny ankamaroan’ireo mpilalao. Misy ihany koa ireo izay maratra, kanefa nantsoina mba hankahery ireo namany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT