Sport

Barean’i Madagasikara Feno ny mpilalao, vonona tsara ny ekipa


  • Alarobia 01 Septambra 2021

Feno ny mpilalao Malagasy hiatrika ny lalao goavana rahampitso. Efa eto an-tanindrazana avokoa ny 28 tamin’ireo mpilalao 30 nantsoin’ny mpanazatra Eric Rabesandratana,

 raha toa ka efa notaterina teto kosa ny tsy fahafahan’I Jeremy Morel sy Marco Ilaimaharitra noho ny ratra. Nigadona an-tanindrazana omaly ireo mpilalao avy any Etazonia dia I Romain Metanire sy Rayan Raveloson niampy an-dry Carolus avy any avy any Arabie Saoudite, nifamotoana tatsy La Réunion niaraka tamin’ireo namany nahitana an-dry Bapasy, Mamy Gervais, Fabrice, Dax. Na eo aza ny olana sy disadisa samihafa teo amin’ny mpitondra sy ny mpitantana, dia miray fo tanteraka kosa ny mpilalao ary hita fa tena vonona tsara . Omaly hariva, nanao fanazaran-tena alina na “entrainement nocturne” teny amin’ny Kianjan’i Mahamasina ny mpilalao Malagasy satria amin'ny alina no hanatanterahana ny lalao ihaonana amin'i Bénin. Mampitombo ny herijika sy ny moralin’ny mpilalao ny ahafahana mampiditra mpijery miisa 10 000 hanohana ny ekipam-pirenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT