Sport

Barean’i Madagasikara Efa dinihina ny fiaramanidina manokana hitondra azy ireo


  • Alakamisy 05 Martsa 2020

Efa niara-nivory tamin’ny tompon’andraikitry ny federasionina sy ny mpanazatra,

 

 

 Nicolas Dupuis, ny avy eo anivon’ny fitondram-panjakana, raha ny fanazavan’ny minisitry ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto, mikasika ny fangatahan’ny mpankafy baolina kitra Malagasy ny amin’ny mba hananan’ny ekipam-pirenena Malagasy fiaramanidina manokana ho amin’ny dian’izy ireo mandritry ny lalao miverina sy mandroso hifanandrinany amin’ny ekipam-pirenena Ivoarianina. Mielanelana 4 andro monja moa izay lalao hifanandrinan’ny Barea sy ny Elefanta hotontosaina amin’ny 27 sy 31 martsa izao izay, raha tsiahivina. Efa mandeha koa ny fitsirihana izay kianja handraisana ny lalao eto amintsika, raha ny fanazavana hatrany. Efa miasa ny orinasa any Toamasina mikasika ny kianjan’i Barikadimy satria misy lamina na “assaignissement” tsy maintsy atao. Mikasika ny fisian’ny aretina Coronavinus kosa dia hetraketraky ny natiora io ka tsy voafehin’ny olombelona ary misy ny vahaolana faharoa na “solution B” raha toa ka misy ny sampona, hoy hatrany ny minisitra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT