Sport

Barean’i Madagasikara Efa any amin’ny CHAN 2022 ny ila-tongotra


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2022

Efa any amin’ny CHAN 2022 na ny tompondakan’i Afrika 2022 ho an’ireo mpilalao tsy mila ravinahitra ny ila-tongotra ho an’ny Barean’i Madagasikara na ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra.

Isa 0 noho 1 tamin’ny alalan’ny baolina tokana matin’i Tsilavina na Drogba teo amin’ny minitra faha 17 no nahazoantsika fandresena tao an-jaridainan-drizareo Zebran’i Botswana. Azo lazaina ho voafehin’ny malagasy ny lalao nandritr’iny 90 minitra tamin’ny lalao mandroso iny aloha ary nahomby ny paikadin’ny mpanazatra Roro na Romuald Rakotondrabe. Mbola mila ny fanotronana sy fanohanantsika rehetra kosa anefa ny 90 minitra farany amin’ny lalao miverina etsy Mahamasina ny zoma izao na dia sahala aza dia efa ampy hanoratantsika tantara. Alefa Barea!
J. Mirija
(Sary: BFM)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT