Sport

Barean’i Madagasikara Coach Rôrô no mpanazatra vaovao


  • Alarobia 31 Mey 2023

Anatin’ny FIFA sy CAF ny federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF, hoy ny mpikamban’ny komity mpanatanteraka na CE mamarana fe-potoam-piasana, Alfred Andriamanampisoa.

Amin’ny volana aogositra, hoy izy, no tapitra ny fe-potoam-piasanay. Rariny raha hisy fifidianana. Manohy ny asa maha filoha lefitra aloha ny tena hatreto. Hanohana ny Barea izay hiatrika lalao ny 18 jona izao manoloana an’i Ghana aloha isika. Eo koa ny lalaon’ny nosy izay iriantsika fa hitondra toy ireny tany Alzeria ireny satria tafajanona 21 andro tany ny tena dia ireny ny vokatra ka inoana fa tsy ho latsak’izay ny amin’ny lalaon’ny nosy sy CAN 2025. Mbola hitantsika taiza teto Madagasikara izany laharana faha 3 izany? Tsy niteny aho hoe tsy niasa ny teo aloha fa tamin’ny fotoana nidiranay teto kosa no nahazo laharana fahatelo tamin’ny CHAN isika. Mety ho henontsika tsy ho ela ny mpanazatra vaovaon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra fa hatramin’izao aloha dia mbola anatin’ny atao hoe fifandinihana tena lalina hoe manao ahoana no hanatsarantsika azy na hamerenantsika indray ireny vita tamin’ny CHAN ireny? Efa hitankitantsika rehetra ihany ny anarana. Maro dia maro izy ao. Ho henontsika tsy ho ela koa ny mikasika ny COSAFA satria isan’ny mikarakara izany rehetra izany izao ny federasionina, hoy hatrany ny tenany. Omaly hariva ihany moa dia namoaka fanambarana ny FMF fa voatendry ho mpanazatra vaovaon’ny Barea A ny coach Rôrô na Romuald Rakotondrabe izay nahazoan’ny Barea laharana faha 3 tany amin’ny CHAN 2023.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT