Barean’i Madagasikara

Botswana, Rwanda, Burundi no hanomanan-tena


  • Alatsinainy 04 Martsa 2024

Ao anatin’ny fanohizana ny fanomanana ny fiatrehana ny tohin’ny fifanintsanana

hankanesana any amin’ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra dia fantatra ankehitriny ireo ekipam-pirenena hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny Barean’i Madagasikara. Botswana, Rwanda, Burundi no hanomanan-tena, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo, raha tsy misy indray izany ny fanovana amin’ny ora farany. Eto Antananarivo avokoa no hanatontosana ireo lalao, raha ny fandaharam-potoana aloha. Tokony ho amin’ity volana martsa ity, raha ny efa voalaza hatrany am-boalohany moa no hisantarana izay fanomanan-tena izay. Tsiahivina hatrany fa amin’ny volana jona indray isika no hiatrika ny tohin’izay fifanintsanana ahazoana ny tapakila ho any amin’ny tompondaka eran-tany izay. Mihazakazaka ny fotoana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT