Sport

Barean’i Madagasikara Anio no tena hanomboka fitsapana


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2020

Araka ny efa nanampoizana azy dia nomen’ny mpanazatra, Nicolas Dupuis, sehatra misimisy tokoa ny zoma teo ireo mpilalao vaovao eo anivon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra ary nahafa-po aloha hatreto,

 

 

 

 indrindra, ny endri-dalao nasehon’izy 4 mirahalahy dia i Hery Bastien izay tena hita ho nahafehy ny fandrindran-dalao tao afovoainy tao ary nahavaky vava ny mpanaraka hoe izay isika vao tena nanana “poste 10”. Hakim Abdallah sy Alexandre Ramalingom moa dia namiratra tao aloha tao. Na dia somary tsy tena tafiditra sy navesabesatra ihany aza i Alex teo amin’ny fizarana voalohany dia nanomboka nahazo ambiasy kosa ny fidirana faharoa ary mbola namono baolina fanindroany. Hita ho tekinisianina ihany koa i Silvio Ouassiero izay napetraka tary amin’ny elatra havia. Tsy isan’ireo niditra voalohany moa ry Fontaine, Zotsara, Dimitri, Mario, Gros ary i Toavina. Toy izany koa i Ibrahim Dabo izay mpiandry tsatokazo. Inoana fa maro amin’ireo indray no hiakatra kianja voalohany miaraka amin-drizalahy vaovao teo amin’ity fihaonana amin’ny Burkina faso atao atsy Maraoka anio ity. Isany koa I Carolus sy Amada izay lohalaharana sy irakiraka mpiaro. Tsiahivina hatrany fa ny lalao nifanaovana tamin’ny Swift Esperange izay klioba divizionina voalohany atsy Luxembourg dia lalao fanazaran-tena na “match d’entrainement” ihany saingy nahafahana nitaratra voalohany ny ankapoben’ny filalaon’ny maro kosa. Anio izany no tena hanomboka ny lalao fitsapana na “match test” hahitana sahady ny mety ho 11 voalohany hiatrika an’i Cote d’Ivoire amin’ny novambra, raha iverenana ny fanazavan’ny mpanazatra Dupuis.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT