Barean’i Madagasikara

Andrasana fatratra indray ny lisitra


  • Alarobia 05 Martsa 2025

Lalao heverina fa tsy azo atao tsinontsinona ny fihaonan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina

kitra na Barean’i Madagasikara sy ny ekipam-pirenen’i Centrafrique ny 19 martsa 2025 izao atsy Maraoka. Tafiditra anatin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila handraisana anjara amin’ny dingana famaranan’ny amboara eran-tany hatrany moa ity lalao ity ary isika izany eto no mampiantrano ny lalao na dia any an-kianjan’olona aza satria tsy nankatoavin’ny CAF na kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra ny Kianja Barea Mahamasina. Toy ny mahazatra dia andrasana fatratra indray ny lisitr’ireo mpilalao nofantenan’ny mpanazatra vaovao Corentin Martins. Sanatrian’izany, ho herinandro mialohan’ny lalao indray ve izany vao ho fantatra ofisialy? Mazava fa hiova koa, araka izany, ny stratejian’ny lalao entin’ireto afrikanina afovoany ireto satria dia efa fantatry ny mpankafy kitra rehetra fa ilay kintan’ny kitra kameroney teo aloha, Rigobert Song, izao no lasa mpanazatra azy ireo. Midika izany fa tsy mivonona ny hanome isa maimaim-poana ho an’ireo iray vondrona aminy izy ireo fa tena mbola hiady mafy ihany koa.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT