Barean’i Madagasikara

Andrasana fatratra i Francis Coquelin…


  • Zoma 23 Febroary 2024

Miroso hatrany ny fandresen-dahatra ilay irakiraka afovoanin’ny kianja milalao

ao amin’ny klioba divizionina voalohany espaniolina, Villareal, Francis Coquelin, mba handrafitra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Heverina fa tena aina goavana na amin’ilay antsoina hoe «renfort de taille» ity mpilalao mandia ny faha 32 taona ity amin’ny fanetsehana ny ao afovoanin’ny kianja ao. Andrasana fatratra, araka izany, ny mety ho fanapahan-keviny na hanaiky hisalotra ny maitso, fotsy, mena na tsia. Raha tsy misy ny fiovana moa dia amin’ny fiandohan’io volana martsa io no tokony handeha izay fampivondronana indray ny ekipam-pirenena izay, raha toa ka efa manatontosa izany kosa ireo ekipam-pirenena afrikanina hafa toa an-dry zareo atsy amin’ny nosy rahavavy kaomorianina.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT