Sport

Barean’i Madagasikara Anatin’ny heriny tsara ireo ao afovoan’ny kianja


  • Alatsinainy 30 Aogositra 2021

Azo lazaina ho anatin’ny heriny tsara amin’izao fotoana izao ny ao afovoan’ny kianjan’ny Barean’i Madagasikara ao, raha ny tombana momba ny aavo teknikan’ireo mpilalao voaray hatreto.

 Mbola i Marco Ilaimaharitra no mitana ny laharana fahatelo ho mpitondra baolina mafy indrindra ao amin’ny kliobany dia ny divizionina voalohany belza, Royal Charleroi Sporting Club. Faha 4 amin’ireo mpanome baolina mendrika indrindra koa izy ary lohalaharana amin’ny fahaizana mandray baolina eny am-pelan-tongotra. Rayan Raveloson, izay milalao ao amin’ny Los Angeles Galaxy - divizionina voalohany Amerikanina dia isan’ireo mpilalao miisa 3 mendrika indrindra ao amin’ity klioba ity amin’izao fotoana izao, raha ny tatitra voaray. Faharoa amin’ireo mpampidi-baolina betsaka indrindra ihany koa ary efa in-dray mandeha voahosotra ho isan’ireo mpilalao mendrika handrafitra ny ekipan’ny Major league soccer na ny MLS. Ibrahim Amada moa izay niara-namarana ny fiofanany tamin’ny ekipany ao Qatar na ny Al Markhiya SC izay nandalo tatsy Torkia hatramin’ny fiafaran’ny herinandro teo dia laharana fahaefatra amin’ireo mpanome tolotra mendrika ao amin’ity kliobany ity. Fahatelo amin’ireo mpanao tifi-davitra mendrika ihany koa izy. Hery Bastien izay nindramin’ny klioba irlandey na ny Derry city, divizionina voalohany ao Irlandy avaratra, kosa dia laharana fahadimy amin’ireo mpandrindra lalao ao amin’ity ekipany ankehitriny ity. Fahaenina amin’ireo mpanome tolotra mendrika ihany koa ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT