Sport

Barean’i Madagasikara Amboara sisa tsy azo


  • Talata 23 Jolay 2019

Tao anatin’ireo fihaonana miisa 5 natrehin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra nandritry ny tompondakan’i Afrika nifarana ny zoma teo iny dia in-4 azon’ny Malagasy hatrany ny amboaran’ny mpilalao mendrika.

 Abel Anicet, in-droa, ary I Carolus Andrea sy Marco Ilaimaharitra, iray avy. Isika ihany koa no nahazo ny laharana voalohany taminn’ny alalan’i Ibrahim Amada, ho an’ny baolina maty tsara indrindra. Ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara, Nicolas Dupuis, no voahosotra ho mpanazatra mendrika indrindra. Voalohany tamin’ireo ekipam-pirenena tafita hiatrika ny CAN 2019 ny Malagasy tamin’ity ary voalohany ihany koa tao anaty vondrona B izay nisy azy nandritry ny fifaninanana isam-bondrona tao anatin’ny dingan’ny famaranana kanefa sambany nandray anjara ary nahavita lalao 5 sahady raha toa ka lalao miisa 4 dia efa nahatafakarana dingan’ny ampahefa-dalan’ny CAN ho an’ireo fifaninanana tany aloha. Mazava ho azy fa isika ihany koa no voafidy ho ekipa nanao ny tsy ampoizina na “revelation” tao anatin’ity fifaninana ity. Raha fehezina, amboara sisa tsy azon’ny Barea tamin’iny CAN 2019 iny ary antenaina fa ho tanjona amin’izay izany amin’io CAN 2021 io.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT