Sport

Barean’i Madagasikara Ahafahana manatsara sy maka lesona ny vita


  • Alatsinainy 15 Novambra 2021

Nisaraka ady sahala 1-1 ny Barean’I Madagasikara sy ny Taifa Stars Tanzanianina omaly tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina,

lalao faha-6 farany tamin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny “Mondial 2022” any Qatar. Ny vahiny no nampiditra ny isa voalohany tamin’ny alalan’I Simon Msuva teo amin’ny minitra faha-25 raha toa ka isika no nanindry sy tokony ha nahatafiditra baolina tao anatin’ny folo minitra voalohany. Nanova paikady ny mpanazatra tany amin’ny fizaram-potoana faharoa, ka sahalantsika tany amin’ny minitra faha-74 tamin’ny alalan’I Hakim Abdallah ny isa taorian’ny fanafihana toatoafo nataon’ny Barea. Nanova zavatra ny fampidirana an-dry Hery Bastien; samy niezaka ny mpilalao Malagasy, isan’ny namiratra indrindra I Loic Lapoussin, izay tena nahavita nitarika sy nandrindra ny fanafihana Malagasy, ary tolotra avy aminy no nahafatesana ny baolina. Samy tsy nanana herijika hiakatra amin’ny lalao sakana hahazo ny tapakila hanao ny lalao sakana na ny Malagasy na ny Tanzanianina satria izay nivoaka nandresy tamin’I RD Congo sy Bénin no tafita. Lavon’ny Congolais 2-0 ny Béninois, ka izy ireo no tafavoaka hanao ny lalao sakana ho an’ny Vondrona J izay nisy antsika. Nitana ny laharana voalohany I RD Congo manana isa 11, faharoa I Bénin nanana isa 10, fahatelo I Tanzanie nahazo isa 8, ary fahaefatra I Madagasikara izay nanana isa 4. Ekena fa ratsy ny vokatra tao anatin’ireo lalao satria faharesena 4, ady sahala iray, ary fandresena iray no azontsika. Azo lazaina ho nivoatra kosa anefa ny ekipam-pirenana Malagasy, ary mbola afaka manarina ny lesoka. Efa manomboka miha marin-toerana ny Barea raha tarafina amin’ny endri-dalao. Mety efa hita taratra ny mpilalao mety hotsofin-drano sy hotazonina, raha tarafina amin’izay zava-bita izay. Isan’ny lesoka goavana ho an’ny ekipam-pirenentsika ihany koa ny tsy fahampian’ny fampivondronana. Mila alamina ihany koa anefa ny olana ara-pitantanana!
HANAO AHOANA NY HO AVIN’NY MPANAZATRA RABE ?
“Nahavita nanome fahasahiranana an’I Tanzanie isika. Kivy tamin’ny fizaram-potoana voalohany, ary natao izay hanomezana fahavitrihana nandritra ny fialan-tsasatra, mba hanana hery sy moraly. Vitantsika ny nanao ady sahala izay nahitana, na naniry handresy aza isika… Hiresaka amin’ny Filohan’ny Federasionina Raoul Arizaka Rabekoto aho mba ahalalana ny fahitany azy. Maniry ny handeha hatrany amin’ny CAN 2023. Efa manomboka mipetraka ny maha izy azy ny ekipa, saingy mbola mila asa sy ezaka hatrany. Hisy ny fifampiresahana ary hiverina hiresaka aminareo aho, hoy ny mpanazatra”, hoy ny mpanazatra Eric Rabesandratana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT