Sport

Barean’i Madagasikara Afaka manoratra tsara ny tantara anio


  • Zoma 02 Septambra 2022

Indroa teo am-bavan'ny dingana famaranan'ny « Championnat d'Afrique des Nations » na CHAN, izany hoe, ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra isika, raha tsiahivina ny tantara.

Inoantsika fa ity fahatelo ity no izy, hoy ny mpamakafaka fanatanjahantena, Mirado Rakotoharimalala. Ho mafy io lalao rahampitso io (TTF : anio), hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea milalao eto an-toerana, Romuald Rakotondrabe na Roro, fa tsara ny nahazoana tombony tamin'ny lalao mandroso. Mbola tsy vita anefa ny asa. Araka ny efa nambara dia anjarantsika ny manohana ny ekipantsika etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina mandra-pahatapitry ny 90 minitra farany manoloana ny Zebran’I Botswana anio. Sahala dia efa ampy hahatongavana any Alzeria fa inoana kosa anefa fa mbola fandresena lavitra mihoatra ilay 1 noho 0 tany amin’ny lalao mandroso no hanoratantsika tantara anio.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT