Sport

Barean’i Madagasikara Afaka hihazo an’i Maraoka i Carolus sy Amada


  • Alakamisy 08 Oktobra 2020

Tonga tany Luxembourg omaly namonjy ireo namany i Nomenjanahary Lalaina na i Bolida Mpilalaon’ny Barea.

 

 Araka ny fampitam-baovao avy any amin'ny namana mpiandraiki-draharaha ny Masohivon-tsika ao Arabie Saoudite Mr Chamarly Jonchelin Andrianjafimananjara dia efa milamina ny visà na ny taratasy fahazoan-dalan'i Nani Andria Carolus sy Ibrahim Amada izay hiazo an'i Maroc ny asabotsy ho avy izao, hoy ny fampitam-baovaon’i Odon Marius Randrianiaina tao amin’ny tambajotran-tserasera. Salama tsara daholo ny ekipa ary miaina tanteraka ao anatin'ny firahalahiana tanteraka. Anio no hanantanteraka ny fitiliana Covid-19, ary vita izany dia miverina mikontrana indray, hoy ny mpanazatra Nicolas Dupuis. Efa tafiditra tsara ao anatin’ny “ambiance” ireo mpilalao vaovao dia Hery Bastien, Alexandre Ramalingom, Sylvio Ouassiero, Hakim Abdalah. Rahampitso ny lalao fitsapana voalohany hifanandrinan’ny Barea amin’ny Swiftt Hesperange Kliobe divizionina voalohany ao Luxembourg, izay hilalaovan’i Hakim Abdalah iray amin’ireo, mpilalao vaovao sambany voahantso handrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy. Anicet, Metanire, Mombris,… izany no tsy ho afaka amin’ny lalao hifanandrinana amin’i Burkina Faso sy ny rahampitso. Ho an-dry zareo Ivorianina kosa dia anio ny lalao fitsapana goavana ho azy ireo hifanandranany amin’i Bélgique laharana voalohany hatrany maneran-tany eo amin’ny filaharana faran’ny FIFA nivoaka ny 16 septambra teo.

J Mirija sy Toky R

Legende: Ibra sy Carolus

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT