Sport

Barean’i Madagasikara


  • Talata 14 Mey 2019

JEREMY MOREL Nanjakan’i Jérémy Morel sy ny Olympique Lyonnais ny alahady teo ny kianjan’ny Olympique de Marseille.

 Tamin’ny isa mavesatra 0-3 no nandresen’ity mpilalaon’ny ekipam-pirenen’ny baolina kitra malagasy ity sy ny klioba frantsay izay hilalaovany ny OM ary voalaza fa nisongadina ity vodilaharantsika ity.

ABEL ANICET

Nangotraka be, araka ny niandrasan'ny maro azy ny fihaonana tafiditra amin'ny andro faha-33 amin’ny fiadiana ny tompondakan'i Bolgaria dia ny fihaonan'ny PFC Ludogorets 1945 misy an'i Anicet Abel Andrianantenaina ao amin’ny ekipam-pirenen’ny baolina kitra malagasy sy ny PFC CSKA-Sofia. Ireto ekipa ireto izay mitazona ny laharana roa voalohany amin'ny filaharana ka ry Abel no manatombo isa 3 eo alohan'ny Sofia. Tsy nanova ny filaharana moa ny vokatra ady sahala 0-0 ny alahady teo.

DAX

Tafita hiatrika ny famaranan'ny Nedbank ry Dax sy ny Kaizer Chiefs rehefa nandresy ny Chipa United 4-2. Tompon-toerana sady nampiditra baolina indray i Andriamirado Andrianarimanana tamin'io fihaonana io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT