Sport

Barean’i Madagasikara Tafatsangana ny komity mpitantana


  • Alarobia 09 Aprily 2014

Tafatsangana omaly talata 8 aprily teny Isoraka ny Komity mpitantana ny ekipam-pirenena Malagasy “Barea” avy amin’ny fivoriana niarahan’ny FMF sy ny filohana klioba samihafa ary ny mpanao gazety ara-panatanjahantena izay metimety amin’ny rafitra.

 7 no isan’ny mpikambana ao aminy ka hanendry an’ireo “staff technique” ny Barean’i Madagasikara amin’ny fiatrehana ny CAN 2015. Atoa Rasoamaromaka Hery filohan’ny Tanà Fc no voatendry ho filoha miaraka amin-dry Andrianalisoa Yves Marius (filohan’ny As Adema), Randriamanampisoa Alfred (filohan’ny Elgeco Plus), Randriatsotsy Miguel (filohan’ny Ligy Vatovavy Fitovinany), Rabary Clément (mpanao gazety), Andriamiasasoa Doda (filoha lefitry ny FMF) ary Rakotomamonjy Ney Patraiky (mpikambana FMF).

Mpiandraikitra ny fifandraisana amin’ny daholobe kosa Atoa isany Ahmad (filohan’ny FMF) sy Rabekoto Raoul (filoha lefitra). Mbola andraikitra sahanin’ity komity ity koa ny fanaraha-maso akaiky ny Barea. Avy hatrany dia nivory maika moa ry zareo ireto ka nanolotra lisitra teknisianina hitondra ny traikefany amin’ny fananganana ny ekipam-pirenena. Voatondro tamin’izany ry Rajaonarisamba Franck (Head Coach), Razafindrakoto Mamisoa (mpanampy), Moreno Gonzalo Sanchez (mpanampy), Razafindralambo Jeannot Paul (mpanazatra mpiandry harato), Randriamirado Emile (préparateur physique) ary Kasy Jean Robert (kinésithérapeute).

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT