Sport

Barean’ i Madagasikara Nahazo tohana 10 tapitrisa ariary avy amin’i Marc Ravalomanana


  • Zoma 16 Novambra 2018

Amin’ny maha olom-pirenena tia fanatanjahantena sy baolina kitra manokana azy dia nanatrika ny fanazaran-tena nataon’ny ekipan’ny Barean’i Madagasikara tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina Atoa Marc Ravalomanana

 

 

 ka nisaotra azy ireo tamin’ny ezaka efa vitany ary nankahery ihany koa amin’ny fiatrehana ny lalao hihaonana amin’ny ekipam-pirenen’i Soudan amin’ny alahady izao eny amin’ny kianjan’i Vontovorona. Nanolotra lelavola 10 tapitrisa ariary hividianan’ny mpilalaon’i Barea ranom-boankazo “rafraîchissement”  amin’izao fiatrehan’izy ireo fanazaran-tena ataony izao.   Nisaotra sy nankasitra izao fihetsika nataon’Atoa Ravalomanana izao  ny mpanazatra sy ireo mpilalaon’ny Barea izay nampahafantarin’i Faneva Ima an’ity raiamandreny ity nialoha ny fihetsika nataony.

Marihana fa nahatratra 26 ireo mpilalaon’ny Barea na ny avy eto an-toerana sy ireo mpila ravinahitra tonga nanaraka an’ity fanazan-tena tetsy Mahamasina omaly alakamisy 15 novambra 2018 ity. Nambaran’ny mpanazatra mpanampy an’ity ekipa ity fa i  Voavy Paulin izay tonga  omaly alina tamin’ny 11 ora tany ho any no hanampy an’ireto namany ireto sisa.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT