Barean'i Madagasikara

Efa miverina milalao i Kendji Van Boto


  • Alarobia 24 Jolay 2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Hafa ihany mantsy ny misy an'ity vodilaharana havia ao amin'ny Pau ity. Na dia Ligue 2 aza ny ekipa hilalaovany dia hita fa tena voafehiny ny asany. Azo antoka noho izany ny hiantsoana azy amin'ireo lalao roa hihaonana amin'ny Comores sy Tonizia.Vahaolana iray aloha izao giverenan'i Boto izao satria betsaka ireo tsy manana klioba hany ka na i Loic Lapoussin izay vao niala tao amn'ny Union Saint Gilloise aza mbola tsy fantatra raha hijoro. Ny loza dia i Sonny Laiton izay hita fa tena tsara nefa efa tsy milalao ao Auxerre intsony ka mbola tsy manana klioba aloha hatreto toa an'i Marco Ilaimaritra, El Hadary ary i Ibrahim Amada. Mihatery izany ny safidy ho an'i Roro Rakotondrabe nefa ny lalao mandeha ary izao aza dia fantatra fa lasa faha 105 eran-tany i Madagasikara.Nihena laharana iray izany saingy tsy mahalenatra raha mitahy amin'ny laharantsika eran-tany eo amin'ny lafiny ekonomika sy fandriampahalemana izay mametraka an'i Madagasikara ho gidany.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT