BAREA

Vonona hanarina rahariva


  • Alatsinainy 20 Novambra 2023

Mafy iny baolina maty tanaty segondra farany iny ! Na izany aza tsy nitsanga-menatra ny Barea

nanoloana ny Ghana izay voasokajy ho isan'ireo mety ahazo ny laharana voalohany ato amin'ity vondrona ity. Tombatombana toy ny rehetra izany fa mbola ao ihany koa i Mali. Fa raha ireny endri-dalao nasehon'ny Barea ireny kosa anefa dia mbola tsy very ny fanantenana, indrindra raha mahaverina ny filalaovany any amin'ny klioba ireo mpilalao kilasiana ho sangany .Ohatra amin'izany i Loïc Lapoussin izay mandray anjara amin'ny Ligue Europa ary mahavita manono baolina mihitsy saingy tsy izay no niseho ny zoma teo ka voatery nosoloina mihintsy izy. Torak'izany koa i Marco Ilaimaritra izay tena andry ianteheran'ny klioba misy azy no mbola kapiteny saingy lasa niaro-tena ka tsy afaka nanampy tosika ireo lohalaharana. Eny fa na i Rayan Raveloson aza dia tsy toy ny fanaony mahazatra hany ka teo anoloany mihitsy no namonoan'i Inaki Williams ilay baolina tokana maty. Efa nieritreritra hoe hitsoka ny kiririoka ilay mpitsara marokanina ka na Melvin Andrien aza izay tena niezaka tokoa, dia tsy nihetsika tamin'iny. Soa lavo hahay hamindra hono ary heverina fa hiezaka mafy ny rehetra handresy ny Tchad rahariva. Ary na ireo 11 niditra voalohany ny zoma aza dia mahavita ny afera. Fa raha velona i Caddy Warren atao lohany ka miverina ao amin'ny sisiny havanana i Njiva Rakotoharimalala dia izay no mety sary mivoaka. Hatreto aloha raha ny vaovao azo dia samy maneho fahavononana ny rehetra sa dia miandry isika. Efa lasa tany filalaovan'ny Barea rahateo ny any Maraoka ka antenaina fa ho tsara ny vokatra.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT