Sport

Barea Vita ny CAN, mody i Dupuis !


  • Alakamisy 30 Martsa 2023

Tapitra Vita ny fampisehoana an'i Dupuis , tsy nisy nandeha tamin'ny laoniny ny kajikajy. Tapi-dalan-kaleha izy ka hany heriny nametra-pialana ny talata teo.

Novonoiny mihitsy ny Barea nampidirany ireo namany mba tsy hitenena zavatra hafa satria i Melvin izao dia manana fifanarahana ara-barotra amin'ny Puma ka izay no namonoana an'i Nina mba hzmpijoroana ny tompom-baolina tany Douala.Raha jerena amin'ny maso tsy miangatra dia tokony Rayan Raveloson sy Marco Ilaimaharitra ary Fabien Boyer sisa mijanona amin'ny mpanazatra manaraka eo izay tokony fatorana amin'ny fifanarahana mba tsy haka intsony ireo National 3 toa an'i Jérémy Morel sy ,Andrien Melvin. Vita hatreo koa i Ibrahim Amada fa indrindra i Hakim Abdallah izay tsy mbola nahafaty baolina tamin'ny lalao enina nataony niaraka tamin'ny Barea. Ka any amin'ny kliobany aza izy mpisolo- toerana fa Nicolas Dupuis ihany no mahita fa mafy izy noho Jean Yves.. Efa fa na dia i Njiva aza izay klioba diviziona fahatelo no misy azy dia tokony tsy hijoro intsony fa efa tena tokony ho Lalaina CFFA no eo amin'io toerana io. Tonga koa izao ny fotoana hanomezana lanja ireo U23 toa an'i Kalvin Paul kapiteny sy Tony Robert satria na mbola milalao any amin'ny diviziona ambany aza izy ireo dia tokony omena sehatra hivelatra satria dia tsy misy antenaina intsony ny Barea mandritra ity fifaninanana CAN 2023 ity. Esory ao an'eritreritra izany Morel ho lasa mpanazatra izany satria fanaovana tsinotsinona ireo teknisianina Malagasy manana ny diplaoma Licence A CAF. Fomba entin'i Nicolas Dupuis handrebirebena indray mantsy izany. Tokony efa ampy izay ny fitaka sy ny fanaovana fahirano ny CNaPS.
SAFIDY HAFAHAFA
Fantaro ireo olon'i Dupuis. Mba hamaliana ireo resaka mandeha hoe tsy vitan'ny mpilalao eto an-tanana ny CAN dia andao hojerena ireo matihanina nentin'i Nicolas Dupuis tao amin'ny Barea A. Esorina avy hatrany aloha i Ryan Raveloson ao Auxerre satria hatreto dia izy irery no ao amin'ny Ligue 1 ao Frantsa. Tsy mitovy i Rayan sy Kenji Van Boto raha samy Auxerre aza satria dia tsy mijoro akory ity farany fa mpabafana seza amin'izay indray nalefan'i Dupuis sisiny raha eo afovoany no mahazatra azy .Toa izao kosa ireo hafa rehetra sy ny kliobany Melvin Adrien : Thonon Evian- National 2 na diviziona fahaefatra any Frantsa. Jérémy Morel : US Montagnarde,- National 3 na diviziona fahadimy any Frantsa Hakim Abdallah : RE Virton - Diviziona faharoa any Bekzika Loïc Lapoussin : US Saint Gilloise - Diviziona voalohany any Belzika Silvio Ouasseiro: F91 Dudelange - Diviziona voalohany Luxembourg Zotsara Randriambololona : FC Balti - Diviziona voalohany Moldavie Njiva Rakotoharimalala : Al Jandal : Diviziona fahatelo Arabia Saoudite Julio Donisa sy Dorian Bertrand : FC Arges, Liga 1 Roumanie. Ireo aloha ny tamin'ity taona ity ka anjarantsika mpitia baolina kitra no mandinika hoe tena ny ahatafita ny Barea ve no tanjona.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT