Sport

Barea vehivavy – Lalaon’ny Nosy Nomen’ny federasiona fankasitrahana ary hampanaovina COSAFA


  • Alakamisy 13 Aogositra 2015

Isan’ireo ekipa nahazo medaly ary noraisin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha ny talata hariva teo ny Barea vahivavy izay nisalotra ny medaly volafotsy tamin’ny Lalaon’ny nosy rehefa lavon’i La Réunion tamin’ny famaranana.

 

 Nandray azy tamin’ny izany ny filohan’ny federasiona sy ny ekipany izay nahazo nandokadoka sy nisaotra ary indrindra nananatranatra somary niendrika fampitandremana noho ny fihetsika izay nataon’ny mpikambana sasany ao amin’ny Barea lehilahy ka nitarika resabe sy fampiantsoana hatrany amin’ny polisy mihitsy. Mbola nahazo fankasitrahana avy tamin’ny federasiona moa ny Barea vehivavy izay 200 000 Ariary isaky ny mpilalao ary 300 000 Ariary isaky ny mpanazatra. Noho ny fahombiazana dia mbola voatazona koa ireo mpanazatra mirahalahy, Rakotomalala Johary sy Randrianarijaona Jean Bruno hanohy ny fitondrana ity ekipa nasionaly vehivavy ity. Noho io fahombiazana tamin’ny Lalaon’ny Nosy io koa dia resy lahatra ny federasiona fa hampiditra ny ekipa malagasy hiatrika ny COSAFA vehivavy andiany fah-5 amin’ny taona ho avy io. Ny fifaninanana nasionaly indray kosa no fandaharam-potoana akaiky manaraka ho an’ny vehivavy.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT