Sport

Barea U23 Resin’ny La Reunion zokiny 1 noho 0


  • Alatsinainy 19 Jona 2023

Ao anatin’ny fanomanan-tenan’ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra latsaky ny 23 taona na Barea U23 hiatrika ny fifaninanana

Tournoi des 4 nations» ho atao atsy Frantsa amin’ity taona ity dia tontosa tamin’ity faran’ny herinandro ity ny lalao fitsapana nataon’ireto boay kelintsika ireto. Na dia resy tamin’ny isa 1 noho 0 nanoloana ny Ekipa zokiny ao La Réunion aza isika dia hita ho azo atao tsara ny manamboatra ny hoavy rehetra ary misy ho antenaina koa ny vokatra amin’izay France 2023 izay. Tetsy ankilany dia montsan’ny ekipam-pirenen’i Kaomoro U23 tamin’ny isa 4 noho 0 ny divizionina faharoa frantsay ao amin’ny Paris FC. Ny UFICASM na ny fikambanan’ireo mpilalao iraisampirenena sy heverina oloben’ny kitra malagasy hatry ny ela moa no nikarakara ny lalao izay natao in-droa miantaona tamin’iny sabotsy sy alahady iny tao amin’ny Stade Aimé Bergéal Mantes-la-Ville, raha ny fampahatsiahivana voaray. Mampametra-panontaniana ihany hoe iza indray izany no hanampy amin’ny fitadiavana lalao fanomanan-tena tahaka itony amin’ny manaraka satria dia efa iarahan’ny rehetra mahalala fa ho tapahan’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF ny fiaraha-miasa amin’ity rafitra iray ity ?
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT