Sport

Barea U23 Nanao ady sahala 2-2 tamin´i Cap Vert


  • Alakamisy 24 Martsa 2022

Ady sahala 2 noho 2 no nisarahan´ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra latsaky ny 23 taona na Barea U23 sy ny ekipam-pirenen’I Cap Vert nandritry ny lalao fitsapana

manaraka natrehin’izy ireo ho fanomanana ny lalao olympika 2024. Fontaine sy Matis no nampiditra ny baolina ho an´ny Barea. Ry zareo Kapverdiana no nitarika tamin´ny isa 1 noho 0 teo am-pialan-tsasatra. Nanova tetikady kosa ny Barea nandritry ny fizaram-potoana faharoa ka nahitam-bokany izany. Nitarika teny amin´ny solaitra be ny katitakely Malagasy nanomboka teo amin´ny 70 minitra saingy nitaky ny havizanana ka nohararaotin’ny mpifanandrina izany. Amin´ny ankapobeny dia mahafapo ny endri-dalao .Tsapa ny maha mpilalao avy amin´ny sekolin´ny baolina kitra ireo zandry kely na ara teknika io na taktika. Mbola i Cap Vert ihany no hifampitsapa amintsika aorian’izao ka inoana fa ho hitan’ny mpanazatra ny hanarina ny lesoka hita rehetra tamin’iny omaly iny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT