Sport

Barea U23 Mandray anjara amin'ny fifaninanana any Mantes la Ville


  • Alakamisy 08 Jona 2023

Ny hananan'i Madagadikara mpandimby tena havanana ireo Barea no mbola himatimatesan'ny UFICASM miaraka amin'ny fikambanana Madas.

Izay no nanosika ireo mpitondra handray anjara amin'ny fifaninanana iraisan'ny firenena efatra anjara izay hatao ny 17 sy 18 jona izao ao amin'ny kianja Aimé Bergeal any Mantes la Ville. Hihaona voalohany amin'ny ny Barea ny 17 jona amin'ny 6 ora hariva ny La Réunion. Ny lalao iray hafa kosa no ahitany ny Comores hifandona amin'ny Paris Atlético amin'ny 1 ora Fomba iray entina hitarafana izay heverina handrafitra ny Barea A ity ataon'ny UFICASM sy Madas ity. Ary mbola ny mpanazatra Boualem Mansour no eo miampy an'i Momo izay mpanazatra faharoa ary Alain Maximim Ramaroson no miandraikitra ny psykolojia sy ny ara-moraly miova tsy toy ireny ekipa matihanina ireny. Mbola ao anatiny ihany my mpanazatra Hery Be izay hiara-hianga amin'ny mpilalao toto-tanana hamonjy ny fampivondronana izay hanomboka ny 13 jona. Mbola sarotra anefa ny fandidiana satria mbola tsy ampy ny eo ampelatanana ka izay indrindra no mahatonga an'i Charlot Andriamady ilay mpiandry tsatokazo an'ny AS St Michel fahiny sy tao amin'ny ekipam-pirenena. Manao antso avo amin'ireo malala-tanany sy tia ny baolina kitra ity kibtana fahiny ity. Hatreto aloha dia efa mivomona ireo mpilalao nantsoina toy ireo roalahy avy amin'ny Disciples FC ahitana an'i Rayan Rajaonarivelo sy Andy Rakotondrajoa.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT