Barea U20

Hisokatra amin'ny mpilalao any ivelany !


  • Zoma 16 Aogositra 2024

Ela ny ela ka resy lahatra ihany ny federasionan'ny baolina kitra ary hiantso ireo mpilalao any

ivelany handrafitra ny Barea latsaky ny 20 taona. Fanaon'ireo fitenena goavana eran-tany izany ka tsy hita izay maharatsy azy.Avy amin'izany fomba fanao izany daholo aza no nipoiran'ireo tanora vao herotrerony ho lasa ambony raha tsy hitany afatsy Lamine Yamal avy any Espagne na koa Rodrigo avy any Brezila.Izay no tokony hatao raha te ahazo vokatra ary soa fa manana an'i Rado Rasoanaivo ho Tale Teknika Nasionaly manoro ny lalana tokony haleha. Mbola tsy any amin'ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany eo amin'io sokajy io anefa isika Malagasy ary na dia ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika aza dia mbola tsy misoratra aloha hatreto ny Barea. Saingy re izao fa handray anjara amin'ny COSAFA Cup U20 hotontosaina atsy Mozambika isika ary nandritra ny fanambarana izany no nahafantarana fa hisokatra amin'ireo mpilalao any ivelany koa ny Barea amin'io sokaji-taona io.Tena vaovao tsara izany saingy raha te ahita vokatra dia tsy misy afatsy ny miverina amin'ny fiarahana miasa amin'ny UFICASM izay efa manana ny traikefa mitsirika mpilalao tanora manerana any Eoropa.Misy an'io Ali Boubacar io izao izay vao 19 taona azo ampiadiana tsara sady entina hijetena azy koa raha mety ho Barea lehibe koa izy. Betsaka tena betsaka ireo tanora havanana raha tsy hiteny afatsy ireo milalao any Frantsa fotsiny aza fa ny mampanahy ny sasany dia ho takona indray ireo toto-tanana.Atao ahoana moa fa lalan'ny baolina izany ka izay mahay no ajoro. Manana adidy anefa ny FMF sy Mario Rosario hametraka drafitra maty paika eto an-tanana amin'ny alalan'ny fanamafisana ny lalao eto an-tanana aminlio sokajy taona io.Tsy misaraka amin'ny fandraisaba fepetra hebtitra anefa izany hisorohana ny hala taona.Sao mantsy dia lasa tanora zokiny indray.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT