Barea U20

Hanomboka ny fitiliana


  • Alakamisy 27 Jona 2024

Hanomana ny Barea latsaky ny 20 taona ny federasiona.Fanomanana tena hianga any amin'ny fotony izay misokatra

koa ho an'ireo sekoly misy any an-toerana.Misy foibe fito izany no hiangan'ny fifaninana dia Antsirabe, Antalaha, Manakara, Toliara, Antananarivo ary Toamasina sy Mahajanga. Ny 6 ka hatramin'ny 10 jolay izany no hotontosaina.Ny roa voalohany isaky ny vondrona no miakatra amin'ny dingana faharoa izay atao eto Antananarivo ny 21 oktobra ka hatramin'ny 3 novambra. Ankoatra ny maha fikarakarana ny taninketsa azy dia ny handray anjara amin'ny COSAFA amin'io sokaji-taona io no tanjona. Tena zavatra tsara izany saingy miankina betsaka amin'ny ho enti-manana ary indrindra ireo teknisianina handrafitra izany. Tsy mitovy mantsy ny mandray ireo ankizy sy ny olon-dehibe na dia ny tsipika hifampifehezana ihany aza. Manana olona anefa isika izay efa zatra mitaiza tanora toy ireny raha tsy hiteny afatsy Jean Maria Razafiarison any Antsirabe na Hery Kely Razagindrasata eny Sabotsy Namehana. Mety koa anefa raha i Mamisoa Razafindrakoto izany mitazona ny Dignitas etsy Androndra.Betsaka no azo atao na dia ny fiadiana ny Amboaran'i Madagasikara hoan'ireo latsaky ny 20 taona eo anivon'ny klioba.Raha betsaka mantsy ny hisafidianana dia tsara avy hatrany ny vokatra.Ka raha hieritreritra hiady ny tompondakan'i Afrika na ny eran-tany mihitsy dia tokony miverina mifampirahara amin'ny UFICASM izay mahenika ny Eoropa manontolo. LAsa aloha fa tsy tokony hatao halako bika tsy tiako tarehy ny fijerena izay tokony ahazoana vokatra tsara.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT