Barea U17

Ny trano-pody no vitan'ny vava !


  • Alatsinainy 22 Aprily 2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

raha nikaza hanangana ekipam-pirenena latsaky ny 16 taona izy mieritreritra hitondra azy ireo handray anjara amin'ny CAN 2026. Ny tena nanaitra dia ny hoe tonga dia ilay ekipam-pirenena no hatsangana. Fa angaha izy ity vitan'ny vava sady eo no hoe dia hieritreritra hibata fandresena. Ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara amin'io sokajy taona io aza tsy misy akory ka CAN no eritreretina. Ary raha ny U17 koa no hiantefan'ny safidy dia tokony ireo feno 15 taona la latsaka aza no trandrahina raha tsy hiverina amin'ny fanao taloha dia ampiasa kopia Bemasoandro toy ny tamin'ny hazoana ny COSFA U20 nefa efa tovolahy be taona ny antsasaky ny mpilalao nalahatra. Efa samy mahay an'io mangalatra amin'ny taona io rahateo ny Afrikanina. Tsy haka tahatra ny ratsy akory fa raha hanangaba ekipa mafy be amin'izany dieny izao dia atomboka amin'ny fiadiana izay tompondaka mianga any amin'ny distrika ary miampita any amin'ny ligy izao vao ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara. Tsy mijanona eo anefa satria misy koa ireo mpilalao any ivelany ary tena maro no efa manana fifanarahana matihanina noho ny fahaizany ka tsy azo hodian-tsy hita. Ny tena tsara ary tsy mahamenatra dia miverina mifanaraka amin'ny UFICASM izay mahita ny ampotony fa tsy fidanarahana tamin'ny naha filoha an'i Arizaka Rabekoto Raoul dia tsy ho raisina Vokatra no ilaina ka tsy tokony hijerena tavan'olona. Ary Raoul rahateo anie sady nianatra no nahafehy ilay taranja .
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT