Barea

Tsy navelan'ny kliobany i Boyer


  • Alakamisy 06 Jona 2024

Nazava tsy nisy nanombinana ny voalazan’i Boyer mahakasika ny tsy fahatongavany namonjy ny Barea.

Nolazaina aza fa ny JS St Pierroise mihintsy no tsy namela azy handeha. Tsy maratra izy fa vao avy naratra teo aloha teo, vao telo herinandro izay ka izany ny isan'ny nanakanana azy tsy ho any Johannesbourg. Nanelanelana nitady fanazavana ihany ny mpanazatra Roro Rakotondrabe saingy valy anavona no azony tamin'ny voalohany ka nilazan'ny tompon’andraikitra iray hoe : ento any ary i Fabien Boyer dia aza averina intsony. Mbola niady ihany i Roro mba ahazoana an'i Fabien Boyer saingy tena tsy nilefitra ny St Pierroise fa niteny hoe na i Ando na i Fabien no mandeha fa tsy izy roalahy. I Fabien Boyer izay tena mifankahazo am-po amin'i Roro anefa dia naneho ny fahavononany hanatevina ny Barea saingy nisy io ny didy tsy azo hivalozana navoakan'ny JS Saint Pierroise io. Ny fanontaniana mipetraka anefa dia ny hoe : manaiky izany ve be federasiona malagasy satria dia ny FIFA no manapaka fa rehefa voantso ao anaty ekipam-pirenena dia tsy maintsy mandeha. Tokony mba mandray fepetra ny filoha Alfred Randriamanampisoa satria tsy miafina amin'ny rehetra fa tena ilaina ity Fabien Boyer raha atao vodilaharana afovoany. Asa aloha fa toa hoe tsara koa hono ilay Tremoulet nasolo ny toerany. Saingy mahay miaraka amin'i Thomas Fontaine ve ? Tsy tsapatsapa intsony mantsy izao fa izay tokony handresy ny Comores sy Mali no tokony hajoro.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT