Barea tsy hanao COSAFA

Very indray ny fahafaha-mitrandraka ny hoavy


  • Alarobia 19 Jona 2024

Very indray izany aloha ny fahafaha-mitrandraka ny hoavy na «relève»

ho an’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra amin’ity tsy fahafahan’ny Barea hanao COSAFA Cup 2024 na ny fiadiana ny amboaran’ireo firenena miisa 14 aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika na «Afrique australe» ity. Antony ara-bola moa, raha ny fampitam-baovao voaray, no tsy nahafahan’ny federasionina malagasy handefa any Afrika atsimo indray ireo ho solontena malagasy tokony handray anjara amin’izany. Fifaninanana iraisampirenena eo amin’ny taranja baolina kitra izay karakaraina ao Afrika atsimo, firenena namorona azy, isan-taona ny COSAFA Cup, raha tsiahivina fohy. Noforonina ny taona 1997 izy io taorian’ny nandraisan’ny Bafana Bafana na ekipam-pirenen’i Afrika atsimo anjara voalohany tamin’ny tompondakan’i Afrika na CAN 1996. Tanjona hatrany, araka ny efa voalaza tetsy am-boalohany ny hitrandraka ireo zandrikely manan-talenta, latsaky ny 23 taona, tamin’izany fotoana, mialohan’ny hiantsoana azy ireo handrafitra ny ekipam-pirenena zokiny na «Senior». Toy ny amin’ny lalao olympika kosa nefa dia navela hisy mpilalao feno 23 taona na mihaotra izany miisa 3 miara-milalao amin’ireo hoavy ireo mba ho karazana mpitantsoroka ao anatin’izany. Ekipam-pirenena miisa 14, ahitana an’i Angola, Afrika atsimo, Botswana, Lesotho, Kaomoro, Madagasikara, Malawi, Maorisy, Mozambika, Namibia, Seichelles, Eswatini, Zambie, Zimbabwe kosa no natao handray anjara avy hatrany amin’izy io isan-taona fa tsy misy hoe fifanintsanana mialoha kanefa moa dia izao navotsotry ny FMF izao indray izany azo ambara hoe tombony na «opportunité» goavana ho an’ny hoavin’ny ekipam-pirenena izany. Marina fa natao ho isan-taona ny fifaninanana saingy iaraha-mahalala ihany koa fa any amin’ireo firenen-kafa aza iazakazakahana mafy mihitsy ny hananganana ivotoeram-piofanana na «Centre de formation» hitrandrahana dieny mbola katitakely ireo heverina ho taninketsan’ny baolina kitra ao amina firenena iray izany. Ny eto anefa efa iaraha-mahalala fa tsy vitan’ny hoe tsy ampy izany, ny fifaninanam-pirenena koa mbola tsy mandeha araka ny tokony ho izy, na ny mpanazatra ny Barea, Romuald Rakotondrabe, aza miaiky fa ny divizionina faha 4 ao Frantsa mbola misy ho raisina noho ny divizionina voalohany eto dia mbola tsy misy ihany koa ny ezaka ahafahana mandray anjara amina fifaninanana iraisampirenena ahafahana mivoatra toy itony.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT