Sport

Barea Tonga tsy nantsoina i Amada sy Carolus


  • Alakamisy 15 Jona 2023

Mafy ny mahazo ny mpanazatra Roro Rakotondrabe izay tsy takona afenina fa hiaran'ny tsindry samihafa hany ka lasa 28 no eo raha 23 no tena ara-dalana.

Asa aloha fa dia isan'ny tonga tsy nantsoina i Amada Ibrahim sy Carolus Andriamahitsinoro. Tsy tao anaty lisitra voalohany ireo moilalao 'tranainy" ireto saingy tsy fantatra fa dia tonga izy ireo. I Amada moa dia efa ny andro voalohany fa dia tsy nisy sahy namilika azy. Tonga koa Carolus miaraka tamin'ny vady aman-janany fa dia iny izy namonjy ny Barea. Ny fanontaniana napetraka mikasika azy no nahafantarana fa hanolo an'i Njiva ixy Lasa vazaha nisolo vaxaha izany satria efa samy tao anatin'ny Barea nandritry ny CAN 2019 ireo Dia izay ve ilay politika hoe hanarina nefa dia mbola ny mpilalaon'i Dupuis ihany no nantsoina. Ary tsy hoe nantsoina fa ireo tena tokony ho tompon-toerana indray no tsy eo dia i Rayan Raveloson, Marco Ilaimaharitra ary Loïc Lapoussin. Inona marina izany no tiana hatongavana nefa raha ny Lalaon'ny Nosy no tanjona dia natao aiza ry Carlos sy Rojo Be ary Ando Rakotondrazaka. Ny fotoana anefa ityefa akaiky ihany ary tena tsy azo eritreretona akory izany hoe eo Mahamadina ny Lalaon'ny Nosy no hatao dia tsy axo indray ny medaly volamena.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT