Barea

Tena mbola lavitry ny afo ny kitay


  • Alarobia 27 Martsa 2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Tena tsy mahay ve ny mpanazatra Roro Rakotondrabe sa ireo mpilalao no tena tsy tao Izay no fanontaniana ary ny valiny tsotra ny valala misy ary ny mpilaza koa mahay. Na tsy mahay aza dia mahita fa diso safidy ny mpanazatra. Tsy nahita ilay 11 tena tsara izy hany ka nandramany daholo izao rehetra izao. Ny zava-misy tsy azo lavina aloha dia mety ireo mpiandry tsatokazo roa ireo no izy dia i Sonny Laiton sy Teva Gardies. Tena tompon-toerana eo amin'ny vodilaharana havia i Kenji Van Boto. Ary izy irery ihany aloha no vodilaharana tsy dia nanao adisoana sady mba niakatra nabampy tany aloha. Matoa i Tantely naverina taty havanana nefa eo afovoany no misy azy ao amin'ny Disciples dia tena tsy misy afatsy izy izany no mahafehy iny ilany iny.
Fa na izany aza dia tokony i Lilian Raolisoa no ho eo. Torak'izany koa ny vodilaharana ampovoany dia tokony i Fontaine sy Andy Pelmard satria na i Demoléon na i Berajo na i Andry Kely dia mbola tena lavitra raha hieritreritra hanao Mondial izany. Ny eo afovoan'ny kianja indray aloha dia i Rayan Raveloson no tompon-toerana tsy misy dinika. Saingy tsaratsara kokoa izy mitazona ny laharana fahafolo mitondra ny fanafihany Tsy maintsy mafy nefa amin'izay ireo sakana voalohany ary miantefa any amin'i Francis Coquelin sy Marco Ilaimahatitra ny safidy. Ny any aloha no mila mitady laharana faha 9 tena mamono baolina. Miampy an'i Loïc Lapoussin sy Arnaud tena amin'ny sisiny no misy azy. Raha ilaina dia mbola mety atao joker koa i Tendry sy El Hadari indrindra raha tsy mety hanao ry Rutter sy Ebobisse ary Seyha Saha. Tsy miankina amin'ny FMF irery anefa izany fa eo koa ny fanjakana izay toa manao tsobo-deanon-dRamiangaly tsy hita hoe ahoana. Anatra koa iny fahapotehan'ny bozaka iny nefa anie Antsinjombe ka nandaniana vola be hanaovana fety. Izao raha mitombona ny vaovao hoe nolavin'ny FIFA ny fankatoavana ny kianja Mahamasina dia izay vao tena hitan'ny havany eo. Marina moa !

Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT