Barea≠Tchad, fifanintsanan’ny « Mondial 2026 »

Mangotraka ny Vondrona I, tsy


  • Alatsinainy 08 Septambra 2025

mana-tsafidy afatsy fandresena anio !

Hiakatra an-kianja hifandona amin’i Tchad indray ny Barean’i Madagasikara anio amin’ny 7 ora hariva, ao anaty hazakazaky ny fiadiana ny tapakila hiakarana amin’ny « mondial 2026 », andro faha-8. Tsy manan-tsafidy afatsy fandresena hakana isa 3 ny Barea anio. Heverina fa tsy ho mora ny handresy an’i Tchad, izay nahavita nitazona 1-1 an’i Ghana tamin’ny andro fahafito. Nampiseho endrika « bloc bas » i Tchad tamin’izany, fiarovan-tena mafy miaraka amin’ny valim-panafihana haingana, ka mila fahamailoana sy paikady mahomby ny Barea anio. Na izany aza, ambony ny moraly sy ny herijika ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy, taorian’ny fandresena 2-0 nanoloana an’i Centrafrique, ary raha tsiahivina dia resintsika 3-0 ny Tchadien tamin’ny lalao mandroso. Nampiseho fahavononana ny Barea, na teo aza ny lesoka samihafa mbola harenina. Manantena fandresena manoloana an’i Tchad ny mpitia kitra. « Ady sarotra no mihandry amin’ny fihaonana amin’i Tchad amin’ny alatsinainy, saingy tsy hatahotra ny ekipantsika fa hanome izay fara-heriny rehetra mba hahazoana fandresena », hoy ny mpanazatra Corenti Martines ny faran’ny herinandro teo. Mety amintsika kokoa raha resin’i Mali i Ghana amin’ny lalao andaniny, saingy mila mandresy isika, ary tokony ho elanelan’isa 4 na 3 farafahakeliny. Raha mitranga izany, dia mihena ny elanelana amin’ny isa, ary misokatra kokoa ny fahafahana ho an’i Madagasikara hitarika ny vondrona. Fantatra fa nanao valifaty mahery vaika i Mali nanoloana an’i Comores (3-0), ka miditra amin’ny fihaonana amin’i Ghana amin’ny heriny feno. Nahavita nanarina nandresy 2-0 an’i Centrafrique anefa ny Kaomorianina omaly, ka miakatra ho isa 15, faharoa vonjimaika, ary midina fahatelo isika, izay manamafy hatrany an’ilay hoe : « tsy manan-tsafidy afatsy ny tsy maintsy mandresy ! ». Tena mangondraka tanteraka ny fifanintsanana ho an’ny Mondial 2026 ao anatin’ny Vondrona I, izay ahitana an’i Madagasikara, Ghana, Mali, Comores, Centrafrique, ary Tchad. Mbola misokatra tanteraka ny fahafahana mahazo tapakila mankany amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, indrindra ho an’ireo firenena efatra voalohany amin’ny filaharana vonjimaika: Ghana (16 isa), Comores (15 isa, efa vita ny lalao faha-8), Madagasikara (13 isa), Mali (12 isa). Raha mety 4 faharoa tsara indrindra no mbola afaka manao lalao sakana samihafa, dia mitana ny faha-5 vonjimaika isika hatreto satria i Gabon 18, Sénégal 15, Caméroun 15, Burkina Faso 14, ary Madagasikara manana isa 13. Mila miady mafy isika amin’ireo lalao ambiny dia ny anio hifandonana amin’i Tchad sy ireo lalao roa farany hifandonana amin’i Comeres sy Mali amin’ny andro faha-9 sy faha-10 amin’ny 6-13 oktobra 2025 izao.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT