Sport

Barea sy Sénégal sy ny fifanintsanana CAN 2019 Manana ny heviny ny mpitia baolina kitra Malagasy


  • Alakamisy 21 Martsa 2019

Ho tanterahina any amin’ny kianja Lat Dior any Thiès Sénégal amin’ny sabotsy 23 martsa 2019 ho avy izao amin’ny 10 ora alina eto Madagasikara ny lalao

miverina hifanandrinan’ny ekipam-pirenena Senegaley, “Les Lions de la Teranga” sy ny Barea Malagasy eo amin’ny fifanintsanam-bondrona A amin’ny CAN. Manana ny heviny ny mpitia kitra Malagasy :

 

Eric

“ Ny baolina  boribory ka tsy maintsy misy ny resy sy handresy amin’ity lalao ity na koa hanao ady sahala ny roa tonta. Amin’ny maha-Malagasy ny tena dia tsy maintsy mirona kokoa any amin’ny Barea ny fo aman-tsaina na dia very ara-batana aza ny mpilalaontsika. Mahita 2-1 matin’ny  Barea aho.

Raha amin’ny fandraisana anjaran’ny Barea amin’ny CAN 2019 indray dia mahita azy ho tafavoakany fifaninanam-bondrona  misy azy aho”.

 

Dofa

“Raha miady mafy ny ekipantsika dia mety hahita 1-0 nefa any an-tanin’olona no milalao ka mety hahita 2-1 ihany ry zareo.  Efa mipetrapetraka tsara ankehitriny ny traikefa hananan’ny Barea  amin’ity fifaninana ity ka mety hahita ady sahala 1-1 ihany izy.Any amin’ny fandraisana anjara amin’ny CAN Egypte 2019 dia mahita ny Barea hiatrika ny lalao 1/4-dalana ny tenako”.

 

 

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT