Sport

Barea sy ny Qatar 2022 Miandrandra endrika vaovao ny mpankafy


  • Alatsinainy 12 Jolay 2021

Nirina Ebobisse, 24 taona, 1,83m, 79kg , lohalaharana afovoany ao amin’ny Portland Timbers, divizionina voalohany ao Etazonia,

izany hoe isan’ny miatrika ny fifaninanam-pirenena MLS miaraka amin-dry Romain Metanire sy Rayan Raveloson. Eo koa i Scotty Sadzoute, 23 taona, 1,72m, 56kg, elatra havanana ao amin’ny OH Leuven, divizionina voalohany ao Belzika. Eo koa I Boto Kenji-Van, 25 taona, 1,83m, 71kg, elatra havanana ao amin’ny FC Pau, divizionina faharoa frantsay. Malaza koa moa I Francis Coquelin, 30 taona, 1,78m, 74kg, irakiraka afovoany mpiaro ao amin’ny Villareal CF, divizionina voalohany ao Espanina. Farany moa dia ny zandrikely ao amin’ny OGC Nice, divizionina voalohany frantsay, Andy Pelmard, 21 taona, 1,80m, 69kg. 5 mirahalahy isan’ny maro mpivoy ireo tato ho ato ary heverina fa endrika vaovao andrandrain’ireo mpankafy ny baolina kitra Malagasy, indrindra ny ekipam-pirenena Malagasy, mba ho isan’ireo ho voaantso hanatevin-daharana ny Barea ny volana septambra izao ao anatin’ny fiatrehana ny fiadiana ny tapakila hakanesana any amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra dia ny Qatar 2022 izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT