Sport

Barea sy ny Black Star Efa matetika nifanena


  • Alarobia 30 Septambra 2020

Efa matetika nifanena tamina fifaninanana sy lalao ara-pirahalahiana ny ekipam-pirenena ganeanin’ny baolina kitra na ny Black star avy atsy Ghana sy ny

 

 

 

ekipam-pirenena Malagasy na ny Scorpions de Madagascar teo aloha izay efa niofo ho Barea ankehitriny. Azo lazaina ho biby mainty na hoe “Bête noire” ho an-drizareo ganeanina mihitsy aza isika Malagasy, raha ny tantara hatreto, no jerena. Isan’ny nampitolagaga ny maro ny zava-bitan-dry Damany sy ny ekipany tamin’ny fihaonana teo amin’i Madagasikara sy Ghana nandritry ny fifaninanana “Tournoi des 4 nations” tany Tonizia ny 30 martsa 2003 izay nirava 3 noho 3 rehefa nitarika 3 noho 0 ny Black star. Resintsika 2 noho 1 koa izy ireo ny 25 mey 2015 nandritry ny ampahavalon-dalan’ny Cosafa cup tatsy Afrika atsimo, fony mbola teo ry Jimmy Simouri sy ry Mamisoa. Asa na hahavita hanala vela aloha ireto kintana mainty ireto na tsia amin’io lalao ara-pirahalahiana ny 12 oktobra 2020 io fa azo lazaina ho karazana fanamby ho azy ireo aloha izany ny handresy Barea izany. Ny Barea koa anefa etsy ankilany inoana fa mbola hanoto lavitra noho ireo zokiny rehetra tany aloha tany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT