Sport

Barea sy Elefanta any Toamasina Nahazo “homologation provisoire” avy amin’ny FIFA


  • Alakamisy 22 Oktobra 2020

Nahazo ny atao hoe “homologation provisoire” amin’ny federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra na FIFA ny kianjan’I Barikadimy, hoy ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra omaly.

 

 

 Any amin’io kianja any Toamasina io noho izany no atao ny lalao amin’ny volana novambra, hoy izy. Hanao fampahafantarana mikasika ny fandaharam-potoanan’ireo lalao koa ny mpanazatra, Nicolas Dupuis, ka mety ho ny 14 novambra indray ny lalao mandroso ary 17 novambra ny lalao miverina. Mety 30%n’ny mpijery zakan’ny kianja, izany hoe raha tombanana dia eo amin’ny 5000 isa eo, no afaka manatrika ny lalao araky ny fitsipika mifehy amin'izao, hoy ny fanazavana, ary ny fanamiana mitondra ny marika Garman ihany no hanaovana amin'ny novambra. Mbola tsikaritra hatrany etsy ankilan’izay ny tsy fahatomombanan’ny serasera eo amin’ity mpanazatra voalaza teo ity sy ny FMF satria raha namaritra omaly ity mpikamban’ny CE FMF ity fa 23 mirahalahy ireo ho antsoina dia etsy ankilany ny mpanazatra Dupuis nilaza tao anaty tambazotran-tseraserany fa 25 mirahalahy ireo havondrony indray amin’izao manaraka izao.

J. Mirija ‘]

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT