Sport

Barea Ny mety ho endrik’ireo hijoro


  • Alakamisy 09 Martsa 2023

Raha betsaka ireo irakiraka dia toa azo vakiana sahady ny tian'i Nicolas Dupuis ahatongavana. Raha izao mantsy no fisehony dia mety ilay fipetraka lasa be mpanao amin'izao fotoana dia ny 4-1-4-1.

Indro ary omena anao ny valin'ny fanadihadiana nataon'ny ekipan’ny Tia Tanindrazana.
Avy aoriana ary avy any havia miankavanana. Nina-Tantely, Berajo, Datsiry, Dadafara- Ando Pro- La Poussin, Rayan, Ilaimaharitra, Rakool- Jean Yves Mety mbola mahita tsara noho io i Nicolas Dupuis fa raha ny fiovana mety hitranga miakina amin'ny heriny amin'izao dia mety ho Boto no eo amin'ny toeran'i Datsiry ary Njiva no misolo an'i Lalaina. Fa na izany na tsy izany dia ireo aloha no azo ampiadiana raha te handresy ny Centrafrique. Misy koa aza mieritreritra hoe maninona moa raha tonga dia atao lohany i Rayan Raveloson dia i Amada no irakiraka. Samy manana ny eritreriny fa ny tanjona dia ny hananana hery hanohitra ireto Centrafrique ireto izay hiantehitra amin'ny traikefan'i Kondogbia, ilay irakiraka milalao ao amin'ny Atlético Madrid.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT