Sport

Barea noraisin’i Coach Rôrô Miabo ny vokatra hatreto


  • Zoma 08 Septambra 2023

Miabo ny vokatra hatreto raha ny mikasika ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea noraisin’i Coach

Rôrô na Romuald Rakotondrabe no resahana hatreto. Ny fiafaran’ny volana may teo ny lehilahy no nampandraiketin’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF ny maha mpanazatra voalohany ny Barea zokiny na Barea A moa no namaritana azy. Azo lazaina ho maro no tsy nanam-po ny vokatra azony raha niatrika ny andro faha 5 tamin’ny fifanintsanan’ny tompondakan’i Afrika 2023 hatao atsy Cote d’ivoire raha nihaona tamin’ny Black Star atsy Ghana ny 18 jona 2023 teo tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Voatana tamin’ny isa 0-0 ny kintana mainty na dia azo lazaina ho tsy ampy aza ny fotoana nahafahana nanomana ny lalao. Lalao fanindroany nitantan’ity tekinisianina malagasy ity an-dry Loïc Lapoussin sy ny namany omaly alina nandritry ny fihaonan’ny Barea sy ny Palancas Negras avy atsy Angola tao amin’ny Estadio Nacional Da Tundavala ao Lubango, Angola. Andro faha 6 fiadiana ny tapakila ho an’ny CAN hatrany io. Voatazona tao an-jaridainany tamin’ny sahala samy tsy nisy nitoko ihany koa ireto angoley ireto. Sahala miisa 2 tao anaty lalao 2 izany hatreto no vokatra ho an’ity mpanazatra ity, raha ny fitantanana ny Barea A, no lazaina. Azo lazaina ho nitombo kalitao ihany koa ny lalao omaly, raha ny tarehimarika fotsiny no jerena. Nifanatsahana ny fitazomam-baolina satria antsika malagasy ny 49,2% izany raha toa ka 50,8% ny antsika malagasy. Miisa 12 ny andrana famonoam-baolina ka ny 2 tamin’ireo no nifanitsy ny harato raha 13 ny an-drizareo angoley. 1 no nifanitsy ny harato. Miisa 317 ny tolotra tafavoakan’ny malagasy raha 332 ny an-drizareo angoley. Nahita kornera miisa 4 isika malagasy raha 6 ny an’ny angoley. Inoana sy andrandraina araka izany fa hitohy tsy ho ela ato amin’ny Barea A ny fahombiazana tany amin’ny CHAN 2023 izay nahazoantsika ny medaly alimo sy ny tamin’ny lalaon’ny nosy farany teo izay nahazoantsika ny medaly volamena ary niarahana tamin’ity mpanazatra malagasy hita ho manana ny traikefany ity hatreto.
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT