Barea

Nivoaka tamin'ny fahanginany i Njiva


  • Alatsinainy 04 Desambra 2023

Lasa resabe ny fanehoan-kevitra nataon'i Njiva manoloana ireo mpilalao vazaha mandrafitra ny Barea.

Tokony ireo tena manana ra malagasy tsy misy fangarony no tokony antsoina hoy izy satria ireny no tena hita marary raha tojo faharesena. Tonga dia tany amin'i Clément Couturier ny mason'ny rehetra saingy amin'ny saina tsy miangatra dia noho izy milalao any Luxembourg izay tsy dia tazana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena na ny Swift Hesperange hilalaovany aza. Ary dia tonga ho azy ny resaka satria mila olona tena mahafehy ny eo afovoan'ny kianja io. Mety tsy nisy iny baolina matin'i Ghana iny raha tsy goragora ny fiarovantenan'ny Barea teo ampovoany iny. Na Couturier na tsy izy dia mila mitady mpilalao tena avo lenta any Eoropa raha mieritreritra hiady ny Amboara eran-tany izany. Aleo tsorina fa olona tahakan'i Francis Coquelin milalao ao amin'ny Villareal ireny no tena handrandraina. Ny any aloha indray rehefa tsy Ludovic Ajorque dia aleo i Rutter ilay ao amin'ny Leeds no resena lahatra.
Clément RABARY

Sary indrana
S
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT