Sport

BAREA nihintsana tamin’ny JIOI Nametra-pialana i Maitre Rôrô


  • Talata 23 Jolay 2019

Niaiky Rakotondrabe Romuald na Rôrô, mpanazatra ny Barea JIOI, fa anisan’ny tompon’andraikitra ny tenany matoa tsy tafita amin’ny manasa-dalana ny ekipam-pirenena Malagasy mandray anjara amin’ny lalaon’ny nosy atsy Maorisy.

 

Nanapa-kevitra ny tenany fa « hiala amin'ny toerana maha mpanazatra satria tsy nahomby ». Mialoha izao moa dia nanao ady sahala 1-1 tamin’ny Nosy Maorisy i Madagasikara, voatery nilalao 10 satria nahazo karatra mena i Dadafara teo amin’ny minitra faha-5. Nambaran’ny mpanazatra Maitre Rôrô moa taorian’izay fa anisan’ny nahakivy ny mpilalao izany ary nampihena ny herijikan’izy ireo. Tetsy an-kilany anefa nanomboka nanao totoafo ny fanakianana ary niverimberina ny hoe : aza manilika ny rihitra na miala bala fa rehefa resy dia nisy zavatra tsy nilamina tao izany satria tokony ho zakan’ny Barea 2 tsara daholo ny ekipa rehetra nandray anjara amin’ity lalaon’ny Nosy ity. Samy manana ny fomba fijeriny moa saingy tsy niandry ela kosa i Maitre Rôrô fa omaly hariva ihany dia nanapa-kevitra fa hiala tsy ho mpanazatra. Efa nangoron’entana rahateo ny Barea JIOI.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT