Sport

Barea≠Niger Hatao any Barikadimy ny lalao


  • Alakamisy 04 Martsa 2021

Ofisialy, fa ny kianjan’i Barikadimy no handray ny lalaon’ny Barean’i

 

 

Madagasikara sy ny ekipam-pirenena Mena an’i Niger amin’ny 30 martsa ho avy izao, araka ny tetiandro ofisialy navoakan’ny CAF. Andro faha-6 farany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hiakarana amin’ny CAN 2022 io, ary herinandro aorian’ny lalao hifanandrinantsika amin’i Ethiopie any an-taniny ao amin’ny kianja stade Bahir Dar izay mahazaka olona 90 000. Teratany Gabonais no hitsara ny lalao, ary amin’ny 4 ora hariva, ora aty Madagasikara no hanomboka ny lalao. Ho an’ny Vondrona K izay misy an’i Côte d’Ivoire, Madagascar, Niger, Ethiopie dia manana isa 7 mitovy isika sy ny Ivorianina. Manana isa 6 i Ethiopie, ary isa 3 i Niger. Laharana faharoa vonjimaika isika amin’izao, ary mbola mafy ny ady satria mbola manana herijika ho tafiakatra na ho raraka avokoa na I Madagasikara na Côte d’Ivoire, na i Ethiopie. Tsar any mampahatsiahy, fa resintsika 1-0 teny Mahamasina i Ethiopie, ary resintsika 6-2 tany an-taniny i Niger. Raha tsy misy ny fiovana, dia hivoaka anio lisitr’ireo mpilalao handrafitra ny Barea amin’ireo lalao roa, izay mety hisy fiovana lehibe ny firafitra noho ny faharatrana sy tsy fahafahan’ny mpilalao sasany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT