Barea

Nanao tapody fohy i Roro Rakotondrabe


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2023

Lasa indray izany izao! Miverina manazatra ny Barea A indray i Roro Rakotondrabe araky ny tapaka tamin'ny

fivoriana teo anivon'ny federasion’ny baolina kitra. Misy ilay fotoana misokatra ataon'ny federasiona iraisam-pirenena ny 9 ka hatramin'ny 17 oktobra izay hanaovana lalao ara-pirahalahina ary dia voantso any Maraoka ny Barea. Voaasa moa raha ny marimarina satria dia efa hiroso amin'ny fifidianana ny 14 oktobra ka inoana marimarina fa efa ritra ny paiso an-kady. Raha ny fandaharam-potoana dia hihaona amin'i Mauritanie sy Bénin ny ekipa malagasy. Saingy hoe ekipa malagasy manao ahoana satria dia voalaza fa ho fanomanana ny fiadiana ny Amboara eran-tany. Ny voalohany ao amin'ny vondrona izany ny tanjona nefa hatreto aloha dia tena mbola ho sarotra izany handresy Mali, Ghana, Centrafrique eny fa na dia Comores aza. Ity farany izay heverina ho gana malemy aza raha ekipa A no resaka dia manana mpilalao betsaka any amin'ireo tena avo lenta anatin'ireo fifaninana lehibe any Eropa misy ny Espagne, Frantsa, Angleterre, Italie ary Allemagne. Isika anefa tsy manana afatsy Loic Lapoussin sy Marco Iaimaharitra no mba any amin'ny diviziona voalohany any Belgique. Inona moa izany no nataon'i Roro Rakotondrabe satria valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza. I Arnaud Randrianantenaina nantsoiny io anie ka klioba ao amin'ny diviziona faharoa any Egypte. Ry Metanire sy Carolus ary Njiva tsy misy any amin'ny klioba diviziona voalohany fa tsy hoe mahafaty baolina dia tokony antsoina. Sarotra ny ady ary izay no hisian'ny tsirin-kevitra hoe handao hanome vahana ireo U23 efa notrandragan'ny UFICASM fa afaka roa na telo taona dia ho hita ny fisongadinan'i Kalvin Paul sy Allan Rakotovazaha raha tsy hiteny afatsy ireo aloha sao lazain'ny sasany misalovana ny asan'ny mpanazatra.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT