Barea

Nakorontan'ny 500 euros…


  • Alakamisy 28 Martsa 2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

dia voaresaka tao amin'ny trano fidiovana ilay resaka 500 euros nampanantenaina homena ny mpilalao tsirairay. Nangataka mantsy ireo mpilalao no hanomezana izany mialoha saingy tsy nahazo fahafaham-po.Ary raha tonga handamina ny solontena vitsivitsy avy ao amin'ny Federasiona niteny hoe efa raikitra ilay izy fa ataovy aloha ny baolina dia hatezerana no nasetrin'ireo mpilalao andeha hatao hoe vitsivitsy. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe nisy fiatraikany teny ambony kianja ve izay fifandisoana kely izay ? Raha mijery lavitra dia eny ny valiny ary ireo baolina roa matin'ny Rwanda ireo no porofo. Ny baolina voalohany mantsy dia hadisoana teo amin'ny filahatry ny vodilaharana no nahafan'i Gilbert niporitsaka ka izy sy Teva Gardies sisa ka na Thibaut Courtois na Ter Stegen aza ve iny tsy ho faty. Ny baolina faharoa indray dia tsy nisy naka mihintsy i Bizimana fa dia nanara-po tsy misy mpanelingelina.Mbola hadisoana fanindroany indray iny noho ny tandrevaka tao ampovoan'ny kianja.Dia iny ny vokany resin'ny Rwanda ny Barea.Fa na izany aza efa mafy koa ireo matoa nandresy ny Bafana Bafana izay tonga hatrany amin'ny manasa-dalanan'ny CAN tany Cameroun farany teo.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT