Barea

Na maty, na velona !


  • Alatsinainy 09 Septambra 2024

Anio tolakandro any Rades , Tonizia, no ho fantatra ny tohin'ny tantara ho an'ny Barea.

Hihaona amin'i Comores tokoa ny ekipam-pirenena malagasy izay voadona ihany taorinan'iny tsatok'antsy nataon'i Sassi sy ilay mpitsara kongole. Efa nihoatra telo minitra ny fanalavam-potoana natsangan'ny mpitsara anjorony ary miampy ny faharatran'i Berajo fa mbola notohizany ihany ny lalao. Vokany raha mbola mieritreritra ho tafita dia tsy maintsy mandresy an’i Comores. Manana ny hoenti-miady amin'izany ve anefa i Roro Rakotondrabe izay nanao hadisoana teo amin'ny fanoloana mpilalao raha namoaka an'i Thomas Fontaine dia nampiditra an'i Berajo. Raha ny tokony ho izy mantsy dia tsy nanala vodilaharana fa nampiana ary namoaka lohalaharana iray. Ary eo indrindra ny fanontaniana satria tsy dia hita nisongadina akory ireo hitsikitsika roa nivavahana dia i Johan N'Zi sy Caddy Warren. Mbola lesoka hatreto ny lohalaharana ary na i Safidy Fortune izay vodilaharana havia aza voa teo amin'ny lazon'ady. Asa aloha fa tsy mazava no tsy niantsoana intsony an'i Kendji Van Boto ary mampanontany tena koa ny filazana fa tsy nomen'ny kliobany i Clément Couturier. Ny anio tolakandro izao dia miandry izay alahatr'i Roro Rakotondrabe indray amin'i Tendry sy El Hadari.Ary Andy ilay moulalaon'ny Disciples ve moa voazona hanafana seza nefa ny maro mahita fa mahavita eo amin'ny toeran'ny rindrina voalohany izy noho i Ibrahim Amada izay efa tambesaran'ny taona. Raha sanatria mantsy ka resy eo dia mety miova endrika tanteraka indray ny Barea satria maro ireo naman'i Roro Rakotondrabe no tsy hajoron'izay misolo azy eo.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT